Actualités

Unicef Madagascar Hahazo vola fanampiny


  • Alakamisy 12 Jona 2014


 30 taona niasana teto Madagasikara ny Unicef. Fantatra nandritra ny lanonana fanamarihana izany fa hiampy ny lelavola hampiasain’ity farany eto amintsika, araka ny nambaran’i Steven Lavwerier, tompon’andraikitra maharitry ny Unicef eto Madagasikara. «Tsy hitsahatra ny fanohanana an’i Madagasikara raha mbola miaina ao anaty fahantrana ny 90%-n’ny zaza Malagasy ary misy ankizy 1,5 tapitrisa tsy miditra an-tsekoly ary mbola tratry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika ny 10%-n’ny zaza”, hoy i Steven Lavwerier. Mandritra ny 5 taona manaraka dia fampirisihana ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy, ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika ary koa ny fiarovana ny ankizy amin’ny fanararaotana samihafa no hifantohany kokoa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT