Actualités

“U.S. Naval Forces Europe Band” Mandalo eto Madagasikara


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Mandalo eto Madagasikara ny “U.S. Naval Forces Europe Band” izay mpitsoka mozikan’ny tafika an-dranomasina amerikanina hanafana ny lanonana hanamarihana ny faha-239 taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia. Sambany izy ireo tamin’ity taona ity no mandalo eto Madagasikara

 

. Efatra andro no andalovany eto. Any Naples, Italie, no mitoby izy ireo ary miandraikitra ny fanentanana ny fampisehoana any amin’ny kaontinanta Eoropeanina sy aty Afrika. Firenena 35 isan-taona no tetezin’izy ireo ary mihoatra ny 500 ny fampisehoana ataony mandritra izany.Nisy ny fifanakalozana traikefa nataon’ireto “U.S. Naval Forces Europe Band” ireto tamin’ny mpianatra mozika klasika sy ireo antoko mpihira avy ao amin’ny Jejy Mozika ;ankoatr’izay dia nitendry nanoloana  ireo zaza kamboty tezaina ao amin’ny akany IRIS eny Ambohibao ihany koa izy ireo


 

Nangonin’i RHR

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT