Mandalo eto Madagasikara ny “U.S. Naval Forces Europe Band” izay mpitsoka mozikan’ny tafika an-dranomasina amerikanina hanafana ny lanonana hanamarihana ny faha-239 taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia anio alarobia
. Hitendry miaraka amin’ny antoko mpihiran’ny Masoivoho izy ireo amin’izany. Miaramilan’ny tafika an-dranomasina amerikanina am-perinasa enina mirahalahy no mandrafitra ity mpitsoka mozika ity. Any Naples, Italie, no mitoby izy ireo ary miandraikitra ny fanentanana ny fampisehoana any amin’ny kaontinanta Eoropeanina sy aty Afrika. Firenena 35 isan-taona no tetezin’izy ireo ary mihoatra ny 500 ny fampisehoana ataony mandritra izany. Sambany kosa izy ireo tamin’ity taona ity no mandalo eto Madagasikara. Efatra andro no andalovany eto. Omaly dia ireo zaza kamboty tezaina ao amin’ny akany IRIS eny Ambohibao no nizaran’ireto miaramila mpitsoka mozika ireto ny talentany. Ireo mpianatra mozika klasika sy ireo antoko mpihira avy ao amin’ny Jejy Mozika kosa omaly no nifanakalo traikefa tamin’izy ireo.
Nangonin’i RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.