Malaza ho mahay mandray vahiny i Madagasikara. Manamafy izany ilay ohabolana malaza hoe “Tsy toy ny ranon’Ikopa, ka tonga namana vao mavomavo”.
Ireo no mahafaoka ny zava-misy ankehitriny hatramin’ny nanokafan’ny fitondrana HVM ny lanitr’i Madagasikara.
Akory ny hagagana fa dia ny Tiorka no nanararaotra voalohany an’izany, ka nanokafany sidina mampitohy an’i Istanbul amin’Antananarivo. Omaly no nisantarana io sidina io, ka ny kaompania Turkish Airlines no mitrandraka azy. Fiaramanidina lehibe iray Airbus A340-300 no tonga omaly, nitondra mpandeha 96. Sidina izay hisy telo ka hatramin’ny efatra isan-kerinandro. Hitondra akony tsara amin’ny lafiny toekarena, kolontsaina ary fizahantany eto Madagasikara io, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fitaterana Andriantiana Jacques Ulrich. Ny zavatra tsy azo odian-tsy hita dia nisy ny fankatoavan’ny fanjakana Malagasy hanofana Mosquée an’arivony eto Madagasikara nialoha ity fanokafana ny lanitr’i Gasikara, ka nidiran’iny Turkish Airlines izao. Firenena silamo ny tiorka, ary firenena eoropeanina fandosiran’ireo mpitsoaponenana syriana betsaka indrindra. Tsy resahina ny setrasetra mampifanolana an’i Torkia amin’i Rosia. Tsy tongatonga ho azy avokoa izany, fa mifampitohy. Ho sarotra amin’i Torkia ny hiahy ireo mpitsoaponenana zavontany tonga any aminy, fa mety hitadiavany hevitra ny hanambatambazana azy ireo ho any an-toeran-kafa hovatsiana vatsy kely. Ho anisan’ireny firenena na tany hampanatenaina ireny i Madagasikara. Dia ho avy tokoa ry mpizahatany araka ny lazain’ny minisitra Andriantiana Jacques Ulrich, saingy mpizahatany mpilanja sakaosy, izay tsy iza fa mpitsoaponenana hanorina fiainana vaovao aty Madagasikara, hitondra ny kolontsainy sy hampanjaka izany ary mety ho izy no anisan’ny hifehy ny toekarena eto, toy ny efa ataon’ny vahiny amin’izao, raha miesona lava eto ny Malagasy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.