Tsy zaka intsony ny vidin’ny entona fandrehitra

Resabe fotsiny ny politika momba ny tontolo iainana!


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

Nijanona ho resabe fotsiny izany ny politika momba ny tontolo iainana

hatramin’ny fotoana nitantanan’ny Dr Baomihavotse Raharinirina ny minisiteran’ny tontolo iainana hoe hahena ho zakan’ny sarambabem-bahoaka mba ho fiarovana ny tontolo iainana ny vidin’ny entona fandrehitra na «gaz». Tsy nety tanteraka izany hatramin’izao fidiran’ity fitondràm-panjakàna ity amin’ny fotoam-piasany faharoa izao. Ny mifanohitra amin’izany aza no miseho. Miakatra hatrany ary tsy zaka intsony, ankehitriny, ny vidin’ny entana fandrehitra eny amin’ireo tobin-tsolika, hoy ny fitarainan’ireo mbola nanana fahafahana nanjifa izay teto Antananarivo renivohitra teo aloha teo. Izahay izao teo nampiasa ilay 9 kilao saingy naleonay najanona, hoy ny renim-pianakaviana iray, satria efa mananika ny 8 alina Ariary ny vidiny amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT