Tsy voavidy vola a ! Tsy voavidy vola a !

Fanjakana tan-dalàna, firenena tsara tantana,


  • Alakamisy 16 Mey 2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Malagasy misitraka sy mivelona amin’ny haren’ny taniny na an-tanety na ambanin’ny tany, na anaty rano,… Ireo indray no anisan’ny nofiko alina. Tonga saina hono ny mpitondra, ka nitodika tamin’ny tena fampandrosoana fa tsy nilalao ny fahoriam-bahoaka sy nanao izay hanabadoana hilentika faran’izay lalina. Tonga saina sy niova ho tena tia tanindrazana, ka nanapaka-kevitra fa homena ny lanjany amin’ny lafiny rehetra ny fampianarana, hampifanarahana amin’ny zava-misy sy ny filàn’ny firenena, havadika ho fanoitra ho an’ny fandrosoana ka omena hasiny miaraka aminy ny vahoaka Malagasy izay harena voalohany. Endrey izany hafaliako tao anaty nofy, fa nifoha ny Malagasy, lasa nahay nandinika sy nandalina kokoa ka lasa mahay mijery lavitra, tsy voavidy vola sy sô na koveta na menaka kely tsy mahavita taona, fa nijoro sy nirona amin’ny foto-kevitra tena hanarenana ny firenena. Indrisy anefa, taitra tampoka aho, tapaka ilay nofinofy mba hiriako iainan’ny firenena. Ny fahakiviana mialohan’ny fotoana dia naman’ny faharesena tsy miady, koa mino aho fa na ho ela na ho haingana mbola ho tonga amin’izany isika. Mila manam-pinoana, mila miasa, mila mamokatra, fa indrindra indrindra mila Malagasy mifanohana fa tsy mifaninana,… Dia mba tsy hira fotsiny anie ilay hoe : dia ho sambatra tokoa ilay Madahasikaranay…
Tia Tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT