Actualités

Tsy vita intsony ny “Village de la Francophonie” Nakepoky ny fitondrana ny volabe ?


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Herintaona latsaka kely izao no nandraisan’i Madagasikara ny Fivoriamben’ny tany miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay na ny “Sommet de la Francophonie” natao ny 22-29 novambra 2016.

 Anisan’ny tetikasa lehibe tamin’izany ny fanamboarana ilay fotodrafitrasa lehibe “Village de la Francophonie” eny Andohatapenaka, saingy tsy vita mandrak’androany. Raha ara-dalàna dia efa nisy ny volabe natokana ho amin’izany, ary tokony ho vita fotoana fohy taorian’ny fihaonamben’ny Frankofonia rehefa tsy tratra tamin’ny nilana azy. Nankaiza ny vola sa nisy nanakepoka indray nampikatso ny asa ? Sa kosa hiandry fotoana akaiky fifidianana dia hirehareha ho nahavita zavatra indray ny fitondrana HVM rehefa hitokana azy ? Toa sarotra ny hino izany fa ny ahiahy mipetraka dia hoe nandeha indray ny kopaka hisasahana ka nakepoky ny fitondrana ny volabe. Nandritra ny fandraisana iny fihaonambe iny dia efa nivoaka ny resaka kolikoly nahazoana tsenam-panjakana tsy ara-dalàna, ka voatonona  ny anaran-dRamatoa Claudine Razaimamonjy. Manodidina ny 600 tapitrisa ariary no voalaza fa volabe tamina resaka kolikoly, ary efa nisy ny firaisamonim-pirenena nitsangana sy namaky bantsilana ny ity afera maizina ity. Tsy nisy tohiny sy vita ho azy anefa izany, ary toa mbola manamafy hatrany ilay tenin’i Claudine Razaimamonjy hoe : “izahay aloha izao no eto amin’ny fitondrana”. Mety ho ampahany ihany io fa heverina ho an-jatony miliara no nanjavona tsy hita popoka, ary mety ho efa tratran’izany ny fanaganana ny “Village de la Francophonie” matoa nikatso ny asa. Hitondra fanazavana momba ity toe-draharaha ity ve ny fanjakana fa lany ny vola ka nampikatso ny asa ? Tsy vaovao amin’ny rehetra anefa ny mety ho fanarontsaronana ny hadalana mihoapampana sy afera maizin’ity fitondrana ity. “Efa hena an-tanan-tsaka”, hoy ny fitenenana !

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT