TSY TIA KOLIKOLY NY PM

Izany no tena tadiavin'ny Firenena, hoy Pr Joseph


  • Talata 17 Martsa 2026

Teraka ihany iny ny PM izay

ny Kolonely Michaël Randrianirina no nanendry azy ary heverina fa zava - dehibe noho izy tsy ao anatin'ny vondrona politika hoy Pr Joseph. Voalaza fa tsy tia kolikoly koa Atoa Rajaonarison Mamitiana izay PM vaovao raha ny nambaran 'ny Kolonely Michaël. Heverina fa izany indrindra no tena olona tadiavina eto amin ' ity Tanindrazana hiombonana ity , koa ny hirariana dia mba olona mifandraika ny amin ' izany ihany koa no handrafitra ny Governemanta vaovao izay hitsangana eo , indrindra indrindra fa ny eo anivon ´ny Minisiteran 'ny fitsarana , izay hiangaviana anao Mon Colonel Randrianirina Michaël mba ny hamerenana an - dRtoa Fanirisoa ho minisitry ny fitsarana. Hinoana marimarina fa tena hifandray ny tadin - dokangan ´ny PM vaovao sy Rtoa Fanirisoa raha toa ka ho voatendry ho minisitry ny fitsarana indray izy , satria io resaka kolikoly sy fitiavan - tena ary fitiavam - bola io no mahatonga antsika eto Madagasikara tsy mety ho tafavoaka. Hapetraka amin 'ny fahendrenao izany Mon Colonel Randrianirina Michaël, satria ny tenin 'ny Soratra Masina araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Romana , 8 ; 28 ) dia milaza manao hoe : Ary fantatsika , fa ny zavatra rehetra dia miara - miasa hahasoa izay tia an ' Andriamanitra ; dia izay voahantso araka ny sitrapony rahateo.
Pati
Légende : Izy no Pr Joseph aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT