na ny CNFM tarihin-dRtoa Andriamasy Estelle, miady ireo karazana zo tokony hositrahin’ny vehivavy eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nosinganiny manokana omaly Alatsinainy 30 Septambra ny zo ara-pahasalamana tokony hananan’ny vehivavy indrindra fa ny resaka fananahana izay zary tsy voahaja intsony. Mbola betsaka ny vehivavy maty eo am-piterahana hoy izy. Mbola betsaka ihany koa ireo tranga fanalan-jaza tsy ara-dalana izay voalaza ho mamono vehivavy miisa 3 isan’andro eto Madagasikara raha araka ny fanadihadiana nataon’ny Fikambanana iray. Tokony hojerena akaiky ny momba izany raha ny nambarany, indrindra fa ity farany. Hatreto tokoa mantsy raha tsiahivina dia mbola maty momoka ary tsy nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena akory ilay lalana momba ny fahafahan’ny vehivavy iray manala zaza ho an’ny vohoka tsy niriana izay marihina fa tsy hitovizan’ny rehetra hevitra ka mampanano sarotra ny raharaha. Ilay vohoka ahiana hahafaty ny Reny na ilay zaza ary hananana porofo no tokony hanaovana izany ho an’ny sasany. Ho an’ny sasany kosa rehefa vohoka dia aina noho izany tsy tokony ho kitikitihina na inona na inona mety ho antony….. Hangatahin’ny CNFM ihany koa ny hahazoan’ny vehivavy ilay zo hahafahany miatrika fiofanana mba hanatsarany ny velon-tenany.
Pati
Legende : Rtoa Andriamasy Estelle, filohan’ny CNFM !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.