Actualités

Tsy nomen’ny fianakaviany ilay razana Sakoroka mandrak’alina teny Anosibe


  • Zoma 13 Oktobra 2017

Savorovoro tanteraka ny teny Anosibe Mandrangobato I nanomboka omaly tolakandro hatramin’ny alina. Anton’izany ny fisian’ny olona maty, izay nambaran’ny fianakaviany sy ny mpiara-monina fa maty vokatry ny fiakaran’ny tosidra, ary efa nandrasana roa andro tao an-tanàna ny razana.

Naheno kosa anefa ny avy amin’ny fanjakana fa pesta no nahafaty azy io, ka nidina teny an-toerana haka ny razana avy hatrany ny avy amin’ny BMH. Tsy azo atao ny mandevina am-pasan-drazana ny olona matin’ny pesta, ary tsy azon’ny fianakaviana kitihina. Nanomboka teo ny gidragidra satria tsy nanaiky ny hanomezana ny razana ny fianakaviana sy ny vahoaka, ary niziriziry fa tsy matin’ny pesta io olona io. Raikitra noho izany ny sakana amin’ny tsy famelana ny hakana ny razana, ary nirarakopana ny toera-bato nahazo ireo mpiasan’ny BMH. voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Tsy nanaiky lembenana kosa ny andaniny, ka raikitra ny tora-bato sy ny sakoroka ary nitohy ny alina mihitsy. Halina manodidina ny tamin’ny 8 ora teo dia mbola nisy fiara tsy mataho-dàlana miisa 4 feno mpitandro ny filaminana nihazo an’Anosibe nanampy ireo efa teny an-toerana mba handamina ity raharaha ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT