Tsy nomena akoho sy vola

Tovolahy iray namono tena


  • Zoma 25 Aprily 2025

Tovolahy iray, 18 taona, kilasy faha 4 amin'ny sekolim-panjakana any amin'ny

distrikan'i Vangaindrano no voalaza fa namoy fo tany Vohindava Manambondro, ny alatsinainy teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Be fo izy io, raha ny fanazavana. Nangataka akoho sy vola tamin'ny ray aman-dreniny mba ho entina mampifaly ny olon-tiany hitsangatsangana tamin'iny alatsinain'ny Paska iny, saingy tsy nahazo. Matetika rehefa tsy afa-po amin'ny fangatahany tahaka izao izy dia lasa any an-tsaha manimba ny voly jirofon'ny ray aman-dreniny. Nihidy tao anaty trano kely izy ary ny tadin'ny sakaosiny ihany no nafatony tamin'ny tendany. Natsotrany nankany aoriana ny tongony, araka ny fizahan'ireo manam-pahefana. Nihidy avy ao anatiny ny trano. Tsy nisy ratra ny vatany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT