Tsy nanaiky hiray ara-nofo

Nanamparany habibiana ny vadiny


  • Alarobia 15 Mey 2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

tsy mety hanao firaisana ara-nofo ao an-tokantrano ao. Ho an’ny Fokontany iray eto an-drenivohitra raha araka ny fanadihadiana dia mahatratra 2 isan-kerinandro ny fitarainana voaray ka vehivavy voakasi-tanana na tsy mahazo vola ny ankamaroan’ izy ireo, ho tambin’izay tsy fanaovana firaisana izay. Tsy misy hafa amin’izay ny tranga niseho tao Ambohimandamina Mahajanga, vao omaly Talata 14 May. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona no tsy nanaiky nanao firaisana tamim-badiny rehefa nitaky izany ity farany ny Alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Raikitra ny fifamaliana vokatr’izany saingy samy resin’ny torimaso ihany ny roa tonta aveo. Tsy maty voalavo an-kibo anefa Rangahy fa taitra tampoka aveo ka novonoiny ilay Ramatoavadiny . Bongo ny masony vokatr’izany no sady mangamangana, nandeha rà koa ny orony raha feno dian-kapoka ny tarehiny ary tsy afaka mihetsika ny tendany. Nahare io tranga io moa ny tompon-tranon’izy ireo ka niantso ny fianakavian’ilay Ramatoa. Ireto farany no nitondra ity farany tany amin’ny hopitaly raha efa nentina eny anivon’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay Rangahy.
Pati
Legende : Efa 4 taona nivadiana izy roa ireto ary niteraka roa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT