Tsy misy distrika ho adino…

Mba lalina koa iny nofy alina iny a !


  • Alarobia 22 Mey 2024

Nahita tory tsara ihany koa moa na trotratry ny adin-tsaina aza hany ka nafana ery izato nofy ririnina.

Tsy hisy distrika ho adino intsony, fa samy hisitraka fampandrosoana avokoa ny faritra rehetra. Vita hono ny làlana makany Ikongo, ny makany Anosibe an’Ala, Marolambo, fa indrindra ilay «autoroute » makany Toamasina,… Tsy kisehoseho ivelany sy vato fototra fa asa tena azo tsapain-tànana. Tsy kirendrarendra toy ny teleferika izay zary fanesoana vahoaka eo anatrehan’ny fahantrany, fa tena fijerena ny soa iombonana. Tena mipetraka ny politika ara-toekarena mahomby ka tsy ho volosana fahatany ireo orinasa manome aina ny toekarena, mamorona asa an-jatony sy an’arivony,… Tena mipetraka ny tontolo ara-pandraharahana milamina, marin-toerana ny mpampiasa vola vahiny, milamina ny famokarana sy ny fanondranana,… Ny harem-pirenena moa tena tsara tantana fa tsy miondrana fahatany ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy ! Taitra sy nitsamboatra tampoka aho, fa hay nofy lalina ilay teo, saingy azo tanterahana tsara raha misy Fanjakana tsara tantana sy tena mijery ny soa iombonana, fa tsy hanabado sy hanjono vahoaka rehefa fifidianan e ! Saino kely anie e ! Inona ny fitarainana tsy nataon’ny tany Ikongo : làlana, hanoanana, fahantrana,… Hatramin’ny vary anie ka nozaraina madco e, ny menaka nozaraina tamin’ny sotro,… Dia mangataka kadoa amin’ny vahoakan’Ikongo hono hoe : fidio ny kandidam-panjakana ho fanomezana ho ahy ! Izany ve tsy efa fandatsana antsika e !?
Tia Tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT