Actualités

Tsy milamina ny tontolo iainana Rakotra havandra ny fidiran’ny ririnina


  • Zoma 26 Mey 2023

Efa tsy milamina intsony ny tontolo iainana. Azo lazaina ho rakotra havandra ny fidiran’ny ririnina, raha nahita ny rotsak’orana omaly

tamina faritra maro toa an’iny Amboanjombe, Andoranofotsy, Itaosy, Ambodimita, Manandriana Avaradrano sy ireo faritra maro manodidina an’Antananarivo. Araka ny fanazavan’ny tekinisianina sy mpahalala momba ny toetr’andro moa dia mety ho lojika ihany ny zava-misy raha toa ka rotsak’orana notairina na ilay antsoina mahazatra hoe «pluie provoquée» no niseho, izany hoe, orana voatr’olombelona na koa «pluie artificielle», hoy ny fiteny mahazatra antsika. Rehefa mangatsiaka ny atmosfera amin’ny maha ririnina azy ka raha mbola hanerenao orana hilatsaka ihany dia lojika ny hoe mivaingana ny rano na H2O rehefa latsaky ny 0°C. Mbola andrasana anefa ny fanazavana ofisialy avy amin’ny sampana mpamantatra toetr’andro raha nisy tokoa izay hetsika fandatsahana orana izay na tsia. Etsy ankilan’izay koa anefa dia hita porofo tsara izao ny fikorontanan’ny toetry ny andro noho ny fanimbanana ny tontolo iainana nataon’ny olombelona hatrizay ka manjary lasa mifangaro izany ny vanim-potoana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT