Niharan’ny fandrahonana ho faty ny mpanao gazety lahy iray miasa amina radio tsy miankina any Ilakaka, Distrikan’i Ihosy ny zoma teo, iny teo am-panatanterahana ny asany iny.
Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana mikasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tao amin’ny valanjavaboary arovana any an-toerana ilay mpanao gazety no saika niharan’ny herisetra. Saika nosena tamin’ny moto, rehefa tsy voa dia nambanana basy poleta hotifirina. Sefo fokontany teo aloha no tompon’antoka. Ny olona sy ny miaramila mpiambina no nanavotra an’ilay mpanao gazety sy nanafina azy tao anaty trano. Mpitandro ny filaminana manao «patrouille» ao Ilakaka no tonga naka azy sy nitondra azy tamin’ny 4x4 namonjy ny tanànan’i Ilakaka. Manameloka io fifofoana ain’ny mpanao gazety sy fanohintohinana azy amin’ny fanatanterahana ny asany io ny Holafitry ny mpanao gazety.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.