Mbola maizina tanteraka hatramin’izao ny ho avin’ireo mpiantra eny Ankatso hatramin’izao. Taorian’ny fivoriambe nataon’ireo mpampianatra mpikaroka omaly teny Ankatso dia tapaka fa mbola hitohy ny fitokonana faobe
. Mandraka ankehitriny dia tsy manana vahaolana matotra havaly ny Seces ny governemanta. Etsy an-kilany dia mbola mitohy ny fitakian’ny mpianatra ny famahana ny olan’ny Seces izay zary lasa sakana amin’ny fitohizan’ny fianaran’izy ireo. Omaly ary dia olona efatra no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny Ankatso saingy ny roa no navotsotra nandritra ny fifampitorahana teo amin’ny mpianatra izay nampiasa vato sy ny mpitandro ny filaminana izay nampiasa baomba mandatsa-dranomaso. Ambonin’izay dia notorahan’ireo mpianatra vato avokoa ireo fiara izay saika hiakatra teny Ankatso ka tapaka nandritra ny fotoana fohy ny lalàna.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.