Actualités

Tsy mety voavaha ny olana Mivangongo indray ny fakon’Iarivo


  • Zoma 09 Oktobra 2020

In-droa isan-kerinandro ihany no tonga maka fako ny kamiao, tsy ampy ny daba,...

 

 

 

 Tsy voahaja ny ora fanarina fako (5 ora hariva hatram 8 ora alina). Mivangongo ny fako, ivelan’ny daba, amin’ny toerana manakaiky ny daba, misy efa any anaty tatatra. Miteraka fofona maimbo tsy eny amin’ny daba ihany fa hatrany anaty tatatra. Maro ny olona vao maraina no manary fako. Mety olana ilay hoe miasa ka misy tena hariva be mihitsy vao tafody an-trano, amin’ny 6 na amin’ny 7 ora hariva, eny misy amin’ny 8 ora alina aza. Milaza etsy ankilany ny eo anivon’ny Kaominina Antananaivo, fa efa misy ny lamina apetraka amin’ny fakana fako eny amin’ny fokontany sy amin’ny dabam-pako. Ny CUA miandraikitra ny fako eny anivon’ny tanana amin’ny alalan’ny RF2. Aterina eny amin’ny Dabam-pako «orange» ireny dia ny SAMVA indray no manatitra azy any Andralanitra. Ny mahagaga sy mahatalanjona amin’ity resa-pakon’Antananarivo ity dia natao litania io nandritra ny propagandy fa hoe raha isika ny tonga eo, tsy misy fako mivangongo izany intsony. Nanao rodobe ireo kamiao goavana miloko orange, ary nipoitra tampoka teto an-drenivohitra rehefa lany ben’ny tanana i Naina Andriantsitohaina, dia samy nanantena tokoa hoe hadio isan’andro ny tanana izany.Inona akory no teo fa mivangongo ihany izao ny fako? Tsaroaa ny kabarin’ny Filoham-pirenena ora maromaro talohan’ny latsa-baton’ny fifidianana ben’ny tanàna nitanisa ny loton’ny tanàna, nambara fa noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra tamin’izany. Nampantena kamio am-polony, famatsiam-bola 10 miliara ariary,... saingy tsy arakarak’izay aloha ny zava-misy ankehitriny. Toa mitady hiverina ny fifanilihana andraikitra eo amin’ny SAMVA sy ny CUA. Efa mitovy firehana ny Fanjakana Foibe sy ny Ben’ny tanàna, saingy mbola ny omaly tsy miova aloha ny zava-misy. Toa mampitombina harany ilay tsirin-kevitra, fa sao tsy tokony hasiana ben’ny tanàna eto Antananarivo fa omena sata manokana, tonga dia iantsorohan’ny fanjakana foibe fa sady iandronan’ny olana ara-politika no hanjakan’ny olana ara-pitantanana ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT