Tsy mbola ratsy ohatran'izao Antananarivo

“Tsy voavaha izany ny olana fa naparitaka eran'Antananarivo.”


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Tsy mbola ratsy ohatran'izao Antananarivo tao anatin'ny 60 taona,

hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka eo anivon’ny Reporter sans frontière, Randy Donny! Samy miaina sy mahita azy eto ka tsy misy azo ampiesonina, hoy izy. Mandainga izay milaza fa lasa milay be, araka ny fitenin’ny tanora, ilay renivohitr'i Madagasikara. Anisan'ny antony dia satria andosirana foana ny olana fa tsy mba atrehina. Izany no mahatonga an'io olana eny Anosipatrana io. Tsy afaka idiran'ny kamiao hoe eny Andralanitra? Tsy atrehina ny olana mba ho vahana eo no ho eo na hoe “sur place”. Tsy voavaha izany ilay olana fa ny fako no naparitaka. Dia rakotra Antananarivo. Dia toa izany foana! Miteraka olana be Anjoma izay nalaza ho tsena tsy mitafo lehibe indrindra eran-tany ary ihodinan'ny vola miliara isan'andro? Tsy natrehina ny olana mba ho vahana “sur place”. Tsy voavaha izany ny olana fa naparitaka eran'Antananarivo. Lasa feno tsena Ambodin’Isotry sy 67ha. Nofoanana ireo kianja fanaovan'ny tanora fanatanjahantena sy nivoahan'ny kalaza maro fa navadika ho tsena. Dia rakotra mpidoroka sy mpifoka Antananarivo. Miteraka olana be ny hamaroan'ny mponina ao Antananarivo? Tsy atrehina ny olana mba ho vahana “sur place” fa aleo hoe hamorona tanàna vaovao any ivelany. Tsy ho voavaha mihitsy izany ilay olana fa hafindra any an-toeran-kafa fotsiny. Ovay ilay fijery…, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT