Actualités

Tsy manam-panahy intsony


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Soa ihany fa misy ny ekipam-pirenena U18 amin’ny taranja basketball mba mampifaly sy mampiray fo amam-panahy ny malagasy, mba hanadinoina ny sorisory sy tebitebin-tsaina ary ny fahasosorana isan’andro.
Tsy misy andro iray diavina eto amintsika ka tsy handrenesana herisetra, fakana an-kerina, fanolanana, famonoan’olona, fandrobana, fanafihana mitam-piadiana.Manampy trotraka an’io ny tsy fahamatoran’ny mpanao politika sy ny tsy fahaiza-miasan’ny mpitondra ; izao indray dia ireo nantenaina fa hampianatra, hananatra hitarika ny Malagasy ho any amin’ny fahamendrehana sy ny fahendrena no manodina ny volam-bahoaka .Fa dia tena tsy afaka amin’ireo manampahefana mihitsy ve ilay aretin’ny fanararaotam-pahefana e ? Ary misy tena sahisahy maty mihitsy eto, mody be resaka mananatra sy mampiana-desona amin’ny fifankatiavana, fifandeferana, fifanajana, kanefa izy tenany aza adala lavitra noho ny adala mirenireny eny an-dalambe eny.Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha, hoy ny Ntaolo…Misy fetrany ny zava-drehetra, misy ny fotoana tsy maintsy mipoitra daholo ny marina satria tokoa : tsy misy takona izay tsy hiseho.Mbola tena manahirana ny toe-draharaha eto amintsika ary tena lalina ny fahavoazana, tsy ara-toekarena na ara-politika fotsiny io fa tena ara-tsaina mihitsy.Toa efa nivadika ho biby izany ny olona, tsy manam-panahy intsony, tsy mihaino ny feon’ny fieritreretany, tsy mahafantatra afa-tsy ny tenany, manao tsinotsinona ny hafa.Nataon’ny sasany tohatra fiakarana sy mba hamenoana ny paosiny fotsiny ny fananganana ireo karazana rafitra handaminana ny firenena, dia mba ahoana moa ny vahoaka amin’izany ?Izay mba mahazo toerana sy fahefana dia indro fa lasa be takolaka, manamboatra tranobe, manana fiara faran’izay raitra.Ahoana ny momba ireny, sao lahy ka mba efa fotoana kosa izao hanamafisana ny fanarahamaso ireo mpitondra sy mpanao politika, amin’ny alalan’ny rafitra tena matotra.Fa raha tahaka izao foana ny gaboraraka iainana eto dia tsy maintsy hifamono am-pitoerana eto ihany Ramalagasy atsy ho atsy rehefa tena feno ny kapoaka ka tsy afaka ny hihafy hitazana ny fiedinedin’ireo mpangalatra ny volany ny vahoaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT