Actualités

Tsy fitohizan’asam-panjakana Mbola mitarazo ny voka-dratsiny


  • Talata 29 Septambra 2020

Toy ireny tsy nahavita na inona na inona avokoa ireo mpitondra teo aloha, hoy ny komity foiben’ny antoko politika MFM, Charles Hilaire Solohery,

 

 kanefa mba nisy zava-bitan’izy ireo ihany. Isan’ny ohatra nomeny moa ny fahavitana lalana isan-karazany sy ny orinasa-pamokaram-panafody, OFAFA, ankehitriny. Zary nolokoinao ny loko politikanao ny sasany, hoy koa ny mpamakafaka hafa, dia lazainao fa ianao no nanao azy. Samy nahatsiaro ny fitotonganam-piainan’ny Malagasy taorian’ny alatsinainy mainty 26 janoary 2009 izay efa hary saina tamin’ireny fotoana ireny. Foto-drafitrasan’ny fitondrana Ravalomanana maro no rava ankoatran’ireo orinasana namelona fianakaviana an’arivony maro. Nanangana hopitaly manara-penitra isa-paritra nony tafakatra ny fitondrana tetezamita, notarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, saingy niahaka teo nandritry ny taona maro izany ary nisy tola ho azy teo aza ny sasany nony tafakatra indray ny fitondrana Rajaonarimampianina ka mba niezaka nametraka ny dian-tanany araka ilay voalaza teo. Iaraha-mahita fa tsy hiverenana intsony izay efa voalaza teo momba ny fitondrana ankehitriny. Ny iaraha-mahita aloha dia mbola mitarazo miteraka fahantrana eto amin’ny firenena mandrak’ankehitriny izay tsy fitohizan’asam-panjakana fa fitohizam-pandravana na fanakonana sy tsy firarahiana ny vitan’ny teo aloha izay. Tsy eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny firenena ihany fa na eo amin’ny fitantanana ny raharahan’ny kaominina sy minisitera sasany koa aza dia tsikaritra ho halaim-panahy hanao toy izany ireo ben’ny tanana sy ekipana minisitera vaovao sasany. Firy volana izay no tsy niteraka ady hevitra be ny fandravana ny Easy park eto Antananarivo? Inona moa no nampikorontana ny fandaharam-pianarana Malagasy ankehitriny raha tsy ny resaka fiandaniana sy fanoherana ny tetikasa PSE izay saika napetraky ny teo aloha? Lany andro mifampitsikera anefa ireo avy nitondra sy mpitondra vaovao fa tsy manohy izay nety nahasoa ny firenena.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT