Tsy fitakiana ireo nosy manodidina

«Fanekena fa an’ny Frantsay ireo»


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos

foana na iza na iza nitondra azy ireo, hoy ny mpandalina raharaha iraisampirenena, Bien Aimé Randrianantenaina. Azon-drizareo izao ny azy, hoy izy, fa isika malagasy niovaova. Nisy nitaky ny hamerenana tanteraka. Nisy tsy nitaky mihitsy. Nisy ny nitaky fiaraha-mitantana ireo nosy manodidina na «Iles éparses». Nisy mihitsy aza niteny hoe tsy tokony mbola ho takiana io satria ity Madagasikara be ity aza tsy haintsika ny hanaovana azy. Tsy nitovy hevitra mihitsy isika ary na ny mpanao politika aza nizarazara mikasika an’izay. Mikasika ny fitantanana ny harem-pirenentsika manokana moa misy ilay hoe any Bemolanga sy Tsimiroro, resaka solitany. Misy koa ilay any Sakoa. Teo no heverina fa nampiova hevitra ny frantsay rehefa tsy nihetsika isika tao anatin’ny fihaonana an-tampony faharoa nataon’ny Kaomisionin’ny ranomasimbe indianina. Ny taona 2008 koa hita hoe nisy harena tsy hita pesipesenina tao Juan de Nova. Misy entona ao. Misy solitany. Rehefa hita izay dia tsy niresaka izany intsony ny frantsay fa hoe resaka fiaraha-miasa fotsiny. Nararaotin’ny frantsay ny fahalementsika dia ireny hoe atao valan-javaboahary ny Nosy sambatra na «Iles glorieuses». Tsy namotsotra ireo nosy ireo mihitsy ny frantsay ary ireny heno ireny aza hoe nogadrainy na matiny mihitsy izay nanandrakandrana nielinelina tany. Tsy idirantsika malagasy mihitsy izany io. Ny maorisianina fony mbola tsy henony akory hoe ho averin’ny britanika sy amerikanina aminy ny vondro-nosy Chagos dia efa afaka nivezivezy tao ihany izy. Isika malagasy tsy avelan’ny frantsay manao na inona na inona ao amin’ireo nosy manodidina antsika ireo mihitsy ka ny dikan’izany dia tokony hivoatra koa ny fepetra na «position» raisintsika manoloana ny zava-misy. Ny tsy fitakiana ireo nosy manodidina ireo dia fanekena fa an’ny frantsay ireo nosy ireo, hoy hatrany ny tenany. Fanananao ve dia tsy takianao, hoy hatrany ity mpandalina ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT