Actualités

Tsy fisian’ny fiara mpitatitra Reraky ny dia an-tongotra ny mpiasa


  • Talata 11 Aogositra 2020

Nitondra fanampim-panazavana ny minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy omaly, fa afaka miasa hatramin'ny 5 ora hariva ireo orinasa rehetra amin'ny sehatra tsy miankina, tafiditra ao anatin'izany ny mpivarotra sy hotely.

 

 

Ny orinasa no mandamina ny fitaterana ny mpiasa mandroso sy miverina; tsy afaka miasa izay tsy mahavita io fitaterana io, hoy io Minisitra io. Mandamina ny fitaterana ireo mpiasa tahaka izany ihany koa ny ministera isanisany. Na tsy miankina, na ny fanjakana dia tsy maintsy voahaja ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana ao amin'ny toeram-piasana ary hisy ny fitsirihana hatao. Midika io, fa natao ho an’ny orinasa matanjaka sy ny mpiasam-panjakana ny fahafahana miasa. Firifiry moa omaly ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina nandeha an-tongotra? Mirava amin’ny 5ora hariva, ary alina vao tonga any an-trano. Vao mainka reraka eo dia tsy hanana hery fiarovana dia miditra tsimoramora ny Covid 19. Vitsy ny orinasa mahavita manao fitaterana ny mpiasany izany, ary tsy mbola mitovy amin’ny tamin’ny tsy nisy krizy rahateo ny fiodin’ny orinasa sy ny fampidiram-bolany amin’izao fotoana. Moa mba fantatry ny fanjakana ve izany sa tonga dia hoe: izay hifanosehanareo any ? Sao dia mba azo heverina ny famelana ny taksibe hiasa ka hatao 1000 Ar ohatra aloha ny saran-dàlana, ary iray ihany amin’ny sisiny andaniny sy ankilany ny olona azo entina ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT