Tsy filatsahan’ny orana

Tena zava-dehibe ny fanamandoana ny tany


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Nanamafy ny fikambanana Tandroharena na ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba ny

vakoka eto Madagasikara fa isan’ireo harem-pirenena na vakoka, eny, harena ho an’izao tontolo izao mihitsy aza ny tontolo iainana. Hita ho mitombo hatrany ankehitriny ny fahapotehan’izany tontolo iainana izany, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ity fikambanana ity, Eddy Jean Philippe. Eo ny tsy filatsahan’ny orana, toy io iaraha-miaina eto Antananarivo renivohitra io. Averina hatrany fa tena zava-dehibe ny fanamandoana ny tany toy ireo fanentanana efa fanao isan-taona mba hiantsoana izany orana izany hilatsaka indray. Ahiana ho tena taraiky ny fiakaram-bokatra toy ny vary raha izao no mitohy nefa vahaolana faran’izay tsotra no atoro antsika olompirenena dia ny hoe tsy fanariana avy hatrany ireo rano avy nampiasaina tao an-tokantrano tao fa mba fanampariahana izany eraky ny tokontany ho fanamandoana ny tany sy hilatsahan’ny orana ialàna amin’izao hafanana be efa hila tsy ho zaka izao intsony no sady mba hahafahana mikarakara ireo voly filàna an-davan’andro. Ilaina foana ny mamboly hazo ary fotoana natao hanombohana izany tokoa izao saingy tsotra sady te ilaina ihany koa io hetsika fanamandoana ny tany io, hoy hatrany ny Tandroharena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT