Tsy fanomezan-kasina sendika

«Nitranga matetika tamin’ity fitondrana Rajoelina ity»


  • Zoma 11 Jolay 2025

Araka ny fitakiana nataonay ny 1 may teo, hoy ny sendika SSM na

solidarité syndicale de Madagascar», dia mbola takianay ny hampiakarana 30% ny karaman’ny mpiasa ho an’ny mpiasam-panjakàna ary 100 Euro ho an’ny tsy miankina. Misy volavolan-javatra mandeha ataon’ny fanjakàna any, raha ny fahitàna ity raharaha JIRAMA ity, saingy tsy antsoina ny sendika nefa lazaina fa «partenaire sociaux» na mpiara-miombon’antoka sosialy, hoy ny filohan’ity sendika ity, Herizo Andrianavalona. Rehefa mandeha ilay izy, hoy izy, dia lasa tsy misy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny roa tonta nefa lazaina fa ho fanatsaràna ny asam-panjakàna. Miantso ny fitondràm-panjakana ny SSM hanova fomba fiasa. Mba hifampidinihana mialoha ny fikasàna fikitihana lalàna na rijanteny any amin’ny tontolon’ny asa any amin’ny minisitera tsirairay na orinasam-panjakàna na koa fikitihana rafitrana orinasa na minisitera misy ireo mpiasa ireo satria rehefa mitranga ilay zavatra dia tsy maintsy mijoro amin’ny maha sendika miaro ny asany koa ny sendika amin’izay fotoana izay. Nitranga matetika tamin’ity fitondràna Rajoelina ity ny tsy fanomezan-kasina sendika dia lazaina avy eo fa ny sendika no manohitra fampandrosoana. Manohana tanteraka ny hetsika ataon’ny sendika ao amin’ny orinasa JIRAMA ny SSM satria rariny sy hitsiny izy raha saropiaro amin’izay maha sendika azy izay izy rehefa mikitika ny toeram-piasàny ny fanjakàna ka averinay fa ny orinasa JIRAMA dia tsy tokony hisokatra amina lalana tsy eken’ny sain’ny malagasy rehetra dia ny famadihana azy ho sehatra tsy miankina na «privatisation». Enga anie mba ho hita ny marimaritra iraisana ary tsy hanaiky izay lalana izay mihitsy isika. Fanatsaràna no tokony ataon’ny fanjakàna! Tsy tokony ho adino koa ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ao anatin’izay fifampidinihana izay. Tokony antsoina koa ireo mpandraharaha ara-toekarena mpampiasa izany JIRAMA izany, hoy hatrany ity sendika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT