Rehefa nangingina ny fanafihana mitam-basy tao ho ao dia ny fakana an-keriny indray izao no mahazo laka. Tato anatin’ny roa volana izao dia tranga telo no hita teto Madagasikara dia ny tany Taomasina, ny tetsy Ambatobe ary ny farany teo dia zanaka mpamongady iray eto Antananarivo no lasibatra
Raha ny fanazavana nomen’ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nandritra iny lalao baolina kitra eran-tany iny no somary nampilamindamin-dratsy ny trangana fanafihana mitam-piadiana, izao indray dia ny fakana an-keriny no fitarainana sy vaovao voarain’izy ireo. Matetika ny teratany karana no tena lasibatra. Tsy mijery fotsiny anefa ny mpitandro ny filaminana manoloana izany fa manao ny fomba rehetra ahafantarana ny ao ambadik’izao raharaha izao. Manentana hatrany moa ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mponina raha misy ny vaovao azo omena azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.