Actualités

Tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy Nataon’ny depiote maivana ny praiminisitra Kolo Roger omaly


  • Zoma 22 Aogositra 2014

Tena niakatrakatra ara-bakiteny omaly ny feon’ireo solombavambahoaka nanoloana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sasantsasany notarihan’ny praiminisitra Kolo Roger ary tena nataon’izy ireo maivana mihitsy ity farany tamin’izany.

  Fivoriana tsy azon’ny besinimaro natrehana moa no natao ka tsy nisy nipika ny resaka nifanaovan-dry zareo tao an’efitrano tao, saingy nanakoako tafavoaka tety ivelany ny haavon’ny feon’ireo depiote. Anisan’ireo namatrapatratra ary niverimberina matetika ny depiote Mara Niarisy, hoy ireo namany, izay nitsikera mahitsy be izao ny tsy fanatanterahan’ny mpanatanteraka ireo fehinkevitra niarahana nandany tamin’ny fihaonana voalohany natao volana vitsivitsy lasa izay. Nambaran’ity depiote voafidy avy any Ankazoabo Atsimo ity, hoy ihany ireo namany, fa tena menatra ry zareo avy any Atsimo Andrefana satria ny praiminisitra 3 nifandimby hatramin’ny fitondrana tetezamita sy amin’izao fitondrana Repoblika faha-4 izao dia avy any Atsimo avokoa nefa tsy nahavaha ny olana any amin’iny Faritra iny avokoa. Nohararaotin’ny depiote Randrianasolo Nicolas ny naha teo ny minisitry ny fitsarana fa depiote voafidim-bahoaka izao ny tenany no voatevatevan’ny ben’ny tanàna tany amin’ny toerana nahalany azy imasom-bahoaka nefa dia mbola narovan’ny fitsarana ihany io olona io. Tsy afa-po tamin’ny valin-teny nomen’ny praiminisitra aho, hoy izy,  tamin’ny tsy fanantaterahana ny voalazan’ny « résolution » niaraha-nanao tamin’ny farany fa dia miolikolika izaitsizy ny tenany nefa ho fitiavana azy no hanitsiana ny tsy mety ataony. Mbola handray anjara amin’ny Comité Adhoc ihany aho satria filoham-baomiera, hoy ity depiote avy any Betroka ity. Nohitsiko ny resaka, hoy izy, tamin’ny filazana fa aleo hody ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba hisian’ny fitoniana eto amin’ity firenena ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT