Nahazo fahafahana vonjimaika ilay teratany vahiny tsy nandoa sarana hotely mitentina 5.223.820 ariary raha toa ka nivahiny tamina hotely iray teto Antananarivo nanomboka ny 31 martsa ka hatramin’ny 24 aprily teo.
Araka ny fanazavan’ireo tompon'andraikitra dia nanatsoaka ny fitoriana momba ity raharaha ity ilay lasibatra satria dia nisy nanefa ihany ny saran’izay faktiora tsy voalohany izay. Tsiahivina fa taorian’io fotoana nivahinianany io dia teny Ivato izy no noraisin’ny mpitandro ny filaminana. Andrasana, araka izany, izay mety ho tohin’ity raharaha ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.