Actualités

Tsy fandoavana hofan-trano Frantsay iray voasambotra teny Ivato


  • Alarobia 06 Mey 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP1 Analakely teny amin’ny faritry ny seranam-piaramanidina Ivato ny talata 05 mey teo raha nikasa handositra rehefa tsy nahaloa ny hofan’ny trano fandraisam-bahiny izay nitoerany teto Antananarivo.

 

 

 

Tamin’io andro io tokony ho tamin’ny 01 ora sasany tolakandro no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny CSP1 Analakely ny tompon’andraikitra amina hotely fandraisam-bahiny 01 eto Antananarivo mahakasika ny tera-tany Frantsay iray izay nivahiny tao aminy nandritra ny 03 herinandro mahery ity ary lasa nandositra sady tsy nandoa ny fandaniany rehetra. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka fantatra fa ny 31 martsa no tonga nivahiny tao amin’ilay toerana ity lehilahy ity. Nilaza izy tamin’izany fa amin’ny fotoana hialany no handoavany ny vola rehetra tokony halohany. Ny zoma faha 24 aprily anefa izy dia nihidy an-trano tao amin’ny efitranony ary nilaza ny tsy azo helingelenina. Tsy nandray antso intsony izy nanomboka teo, ka nanapa-kevitra nizaha ny momba azy ny tompon’andraikitra tao amin’ilay toerana ny sabotsy faha 25 aprily tokony ho tamin’ny 01 ora atoandro saingy efa tsy tao intsony izy sy ny entany rehetra. Efa mitentina 5.223.820 ariary anefa ny fandaniana nataony tao amin’io toerana io. Manoloana izany dia nokarohin’ny polisy ity tera-tany vahiny ity ka ny talata faha 05 may no voasambotra teny Ivato izy .Nogiazana avy hatrany ny pasipaorony sy ny entany ary nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny CSP1 Analakely izy. Niaiky tokoa ity farany nandritra ny fanadihadiana azy fa nipetraka tao amin’io toerana fandraisam-bahiny io, ary niala an-tsokosoko tao ny alin’ny zoma faha 24 aprily 2020. Mbola mitohy ny fanadihadiana.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT