Actualités

Tsy fanarahana ireo fepetra raisin` ny fanjakana Mampigadra herintaona, handoavana onitra 500 000 ariary


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Mipetraka eto Madagasikara ny fahamehana ara-pahasalamana (état d’urgence sanitaire) araka ny fepetra noraisin` ny fitondram-panjakana.

Noho izany, tsy maintsy naka fanapahan-kevitra sy fepetra ny fanjakana manoloana ny fihanaky ny aretina COVID-19 ka nandray ny didim-panjakana lah. faha 2020-359 tamin` ny 21 martsa 2020. Mijanona any an-trano avokoa ny rehetra. Mijanona tanteraka ny fitateram-bahoaka na an-tanan-dehibe na ny zotra nasionaly. Misokatra kosa ny grande surface, ny mpamongady, ny tsenakely… Olona iray isan-tokantrano ihany no afaka miantsena. Mihatra ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin` ny alina, manomboka amin` ny 8 ora alina ka hatramin` ny 5 ora maraina. Mikatona avokoa ireo biraom-panjakana afa-tsy ho an`ny fahasalamana sy ny fitsarana. Horaisina ny fepetra hamehezana ny vidin` entana. Ho hentitra ny fanjakana amin` ireo manaparitaka vaovao tsy marina na amin`ny fampahalalam-baovao samihafa ka hisy fanasaziana. Ireo fepetra ireo dia voalaza ao amin` ny and. faha-17 sy faha-18 araka ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny vanim-potoana manokana (situation exceptionnelle). Voambara ao amin` ny and. faha-19 fa “raha misy fandikàna ireo fepetra napetraky ny manam-pahefana dia mampigadra telo volana hatramin` ny herintaona na mandoa onitra 100 000 ariary hatramin` ny 500 000 ariary na izy roa miaraka”. Mahakasika ireo olona tokony tiliana manokana kanefa minia tsy manaiky izany dia misy ny sazy mifandrify amin` izany ao amin` ny lalàna mifehy ny fahasalamam-bahoaka ao amin` ny and. faha- 295 hatramin` ny faha-331. Ireo fepetra noraisina ireo rahateo dia voafaritra mazava ao anaty lalàna ka efa mampitandrina ireo tompon’andraikitra mahefa manoloana izany. Ao anatin` ny fanentanana sy tanteraka ny fanjakana mba hanaraka ny toromarika nomen'ny fitondram-panjakana ho fisorohana ny aretina "coronavirus".

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT