Mafy ny mahazo ireo mpiasa isan-tsokajiny eto amintsika hatramin’ny nisian’ny fihibohana no mankaty.
Na efa manomboka miverina amin’ny laoniny tsikelikely aza mantsy ny fiainana amin’ny andavanandro dia maro ireo mbola hiharan’ny tsindry hazo lena. Miisa 85 hatreto ireo orinasa efa nahita olana raha araka ny fanazan-dRtoa Lovasoa Fetra, sekretera jeneralin’ny FISEMA ka ankoatra ny eny anivon’ny orinasa afaka haba dia lasibatra ihany koa ny eny anivon’ny serasera sy ny sehatry ny fampianarana. Mba ho famerenana amin’ny laoniny ny fanajana ny zon’ny mpiasa ary dia nisy ny fampianarana nomen’ity sendikan’ity ireo solonten’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa mpikambana ao aminy omaly. Tanjona ao anatin’ity fampianarana ity ny mba hahafahana mampahafantatra ny mpiasa tsirairay avy ny zony feno sy ny lalana mifehy ny asa eto amintsika. Aorian’izao fampianarana izao dia afaka hizara ny traikefa azony amin’ireo mpiasa tsirairay avy ny mpiofana raha araka ny fanazavan-dRtoa Lovasoa Fetra, sekretera jeneralin’ny FISEMA.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.