Tsy fanajana lalàna, tsindry politika,…

Mampiaka-peo ny Sendikan’ny mpitsara


  • Talata 10 Oktobra 2023

Namoaka fanambarana manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny tany sy ny firenena,

Ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara tarihin’ny Filohany Atoa Mbitanarivo Andriantsihoriso omaly 09 oktobra 2024. Manantitra hatrany ny tokony hanajana ny lalàna velona eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny SMM; Mitaky ny fanajana ireo zo fototra rehetra voalazan'ny Lalàmpanorenana, zo izay sitrahan'ny olom-pirenena isam-batan'olona; Mitaky ihany koa ny tsy hanaovana ny rafi-pitsarana misy ho fitaovana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry na avy aiza na avy aiza hatao amin'ireo mpitsara miandraikitra ny asany andavanandro. Vanim-potoanan'ny fifidianana izao, izay ankatoky ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra, kanefa noho ny tranga izay miseho mialoha ; olana ara-politika, dia ahiana ny iafaran'izany olana izany manoloana ny fitsarana, koa manentana ireo mpitsara namana rehetra manerana ny Nosy mba hijery araka ny lalàna velona ary tsy hijery afa-tsy ny lalàna, ka tsy hanaiky tsindry na avy aiza na avy aiza, hoy hatrany ny SMM. Tsy misy tsy maniry fitoniana, indrindra amin'izao toe-java-misy izao, koa aoka ny olana ara-politika, alamina sy vahana ara-politika.


Asa raha misy ifandraisany, fa isan’ny raharaha miteraka adihevitra amin’izao raha ny tontolon’ny fitsarana sy ny politika ny fitazonana ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro. Tsy misy mpitsara sahy mandray ny raharaha satria tsy misy zavatra tena ahafahana manenjika azy, hoy ny avy amin’ny TIM. Tokony ho 2 andro ny fitazonana, kanefa efa 8 andro omaly. Mifanilika andraikitra ny zandary izay nisambotra azy sy ny eny anivon’ny fitsarana raha ny fijeriko azy satria tena tsy ara-dalàna ny fitazonana azy any amin’ny zandary, hoy ny depiote Mamy Rabenirina.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT