Tsy fampidirana ny vady amin’ny afera manokana

Nahoana no nopotehina ary ny vadin’i Paul Rafanoharana ?


  • Talata 06 Mey 2025

Nahazoan’ny Filoha ankehitriny tehaka tamin’ny olom-pirenena sasany ny nilazany

fa tsy tokony hampidirina amin’ny raharaha nahakasika an’i Kolonely Rakotomamonjy Patrick ny vadiny na ny fianankaviany. Tonga tamin’ny fanomezany baiko hamoahana azy. Tena marina sy ara-drariny satria ny heloky ny Ray tsy heloky ny vady aman-janaka. Nihatra avy hatrany ny baikon’ny Filoha na misy endrika fandikan-dalàna aza, ary lasa taratr’ilay hoe : tsy miasa amin’ny fahaleovantenany intsony ny fitsarana eto amin’ny firenena, fa efa fitaovana entin’ny mpitondra hampiharana ny sitrapony amin’izay olona tiany ho enjehina na ho arovana. Ny avy ao anaty Fanjakana ihany no nanome baiko ny fampidirana am-ponja vonjimaika ireo olona na mety tsy nisy porofo mazava aza, dia avy ao anaty Fanjakana ihany no mody milaza hoe « avotsory ». Eo ny filalaovana serasera sy fihetseham-po hampiakarana laza fa eo ihany koa ny mety endrika kilalao politika maloto arahina fihatsaram-belatsihy ? Toa mampahatsiahy ny raharaha Paul Rafanoharana izay nampidirina tamin’ny raharaha « Apollo 21 » anefa ity raharaha ity. Raha nolazaina tamin’izany fa nisy fikatsahana hifofo ny ain’ny Filoham-pirenena nahasaringotra io manamboninahitra Frantsay misotro ronono io, nampidirana Malagasy maromaro, manamboninahitra taloha izay nafahana avokoa,… dia isan’ny nalentika Rtoa Voahangy Andrianandrianina vadin’i Paul Rafanoharana. Ny 18 febroary, nisy ny lahatsoratra navoakan’ny Africa Intelligence fa tratry ny olana ara-pahasalamana nandritra ny volana vitsy io vadin’i Paul Rafanoharana io, ka nafindra avy tao amin’ny fonjan’i Tsiafahy nitsabo tena tany amin’ny Nosy La Réunion. Mety efa tsy eto intsony mazava ho azy ? Tsy nisy moa ny fandisoana na fanamarinana an’io nataon’ny Fanjakana. Izy izay nohelohina 5 taona an-tranomaizina asa an-terivozona rehefa nampidirina tamin’ny raharaha nahasaringotra ny vadiny ho nikasa hamono ny filoham-pirenena. Tsy fiarovana azy fa mampametra-panontaniana ihany hoe : moa tsy nitovitovy tamin’ity raharaha vadina manamboninahitra ity ihany ve io ? Ampizakaina ny ngidiny hatramin’ny farany ve ireo Malagasy nalentika tamin’io raharaha io raha efa tafavoaka hatry ny ela any Frantsa ny vazaha iray dia i Philippe François ? Ankehitriny, misy raharaha mitovitovy amin’io, fa ny Filoham-pirenena mihitsy no niditra an-tsehatra nanome baiko mivadika ho lalàna, manafaka olona naiditra am-ponja vonjimaika tsy nandalo fitsarana nanafaka azy fa baiko midina. Sanatria hoe tsy mankasitraka ny fanafahana ilay vadina manamboninahitra navotsotra omaly, fa kosa mitondra fanamarihana amin’ny mety ho fisiana kilalao politika maloto, fanavakavahana, filalaovana saim-bahoaka,…
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT