Tsy fampidinana saram-pifandraisan-davitra

Andrasana toa an’Ambatobevohoka ilay fepetra


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Andrasana toa an’Ambatobevohoka amin’izao fotoana izao ny fepetra

raisina amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra tsy mampidina izay saram-pifandraisan-davitra eto Madagasikara izay. Ny filohan’ny vaomiera tokony hanara-maso izany eny anivon’ny antenimieram-pirenena moa mbola hita ho variana miady ny hahazoana pao-droa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo. Tsy afaka atodika any intsony izany aloha ny fanantenana mikasika an’izay. Nilaza ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny sampan-draharaha miandraikitra izay fifandraisan-davitra izay na ny ARTEC fa hisy ny fepetra ho raisina kanefa mandeha ihany ity ny andro sy ny volana saingy tsy hita hoe inona izany izay fepetra izay? Toa mbola ilay sarany mampikaikaika ny mpanjifa hatramin’izay volana vitsivitsy lasa izay ihany no iainana ankehitriny? Efa lasa tsy vaovao intsony rahateo moa ny fampanantenana tsy tanteraka toy ny Flyover sy Tanamasoandro tao anatin’ity fitondrana ity na koa ny Miami Toamasina nampanantenaina ho toy ny any Etazonia kinanjo taty aoriana dia io lasa io hoe Miray hina sy mifankatia.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT