Tsy fampiasana fitaovam-piadiana eny an’habakabaka

Nanasonia fanambarana iraisana amin’ny Rosianina ny Fitondrana


  • Alatsinainy 27 Janoary 2025

Nanasonia fanambarana iombonana mba tsy hampiasana mialoha fitaovam-piadiana eny

an’habakabaka ny firenena malagasy sy Rosiana, fanehoam-pahavononana manoloana ny fihazakazahana amin’ity sehatra stratejika ity, hoy ny seraseram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny faran’ny herinandro teo. Mba hananana habakabaka hanjakan’ny fandriam-pahalemana sy azon’ny rehetra ampiasaina no nambara fa antony, ka nilazana fa tafiditra amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny fivoriam-ben’ny Firenena Mikambana ny faha-06 desambra 2023. Nambara fa tsy mivaona amin’ny fikatsahana ny fandriam-pahalemana nahazatra azy, ka nilazana fa mamporisika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra I Madagasikara ary manao ady sisika hanadiovana ny habakabaka ho vakoka iraisana hiantohana izany fandriam-pahalemana izany. Asa tena zava-dehibe amin’i Madagasikara ve aloha ity resaka fanambarana iombonana niaraka tamin’ny Rosianina ity eo anatrehan’ny toerana misy antsika ara-toekarena sy jeopolitika maneran-tany ? Ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana hiarovana ny fahadiovan’ny rivotra sy hitandroana ny sosona « ozone » aza anefa tsy vitantsika. Inona no tambiny sy tamberiny ho an’i Madagasikara teo anatrehan’itony fanambarana niraisana tamin’ny Rosianina itony?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT