TSY FAHAMPIAN’NY TORIMASO

Mety hahafaty tampoka


  • Zoma 22 Martsa 2024

Mihabetsaka ireo olona miasa alina amin’izao, indrindra fa ny tanora.

Ireo mikirakira solosaina no tena maro an’isa amin’izany izay tsy mijanona raha tsy maraina ny andro. Amin’ny atoandro izy ireny no mba matory noho izany raha mbola misy manao asa hafa indray aza ny sasany. Tena misy fiantraikany amin’ny fahasalamana tokoa anefa ny tsy fahampian’ny torimaso, raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija, eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana. Mety hahafaty tampoka mihitsy izany rehefa be loatra izay tokony hisy ora fito isan’olona isan-kalina raha kely. Manomboka reraka ny olona iray rehefa tsy ampy torimaso vokatr’izany. Mitaky otra ny vatana amin’iny izay tokony hataon’ny olona iray in-telo isam-bolana raha kely, arahin’ny fakana aina. Rehefa tena marary vokatry ny havizanana sy ny tsy fahampian’ny torimaso tokoa mantsy ny olona iray raha ny nambarany dia ny fandrianan’ny hopitaly sisa no miandry azy fa tsy misy azo hatao intsony. Ho azy ireo manokana moa dia nandalina momba ny otra izy ary afaka mikarakara ireny karazan’olona tsy ampy torimaso sy reraka ireny. Manana vokatra natoraly azo hampiakarana ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana ihany koa ny Centre Ainasoa.
Pati
Legende : Tokony hihotra in-telo isam-bolana ny olona iray raha kely hanalana havizanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT