TSY FAHAMPIAN’NY ROTSAK’ORANA

Faritra maro tandindonin'ny haintany mahery vaika


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Azo lazaina ho tsy ampy sahady ny rotsak’orana eto amintsika indrindra fa ny any amin’ny faritra na dia vao

manomboka miaina ny vanim-potoanan’ny lohataona mankany amin’ny fahavaratra aza isika. Faritra maro eto Madagasikara noho izany no ahiana iharan'ny haintany mahery vaika manomboka amin’ny volana desambra 2023 ho avy izao, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF. Haharitra hatramin’ny volana Febroary taona vaovao 2024 izany haintany izany vokatry ny tsy fahampian'ny rotsak'orana hatrany. Lohalaharana amin’ireny ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Menabe, faritra Matsiatra Ambony, Ihorombe….Tsiahivina moa fa ankoatra ireo faritra ireo dia efa manomboka miaina izany tsy fahampian-drano ateraky ny tsy fahampian’ny rotsak’orana izany ihany koa isika eto afovoantany indrindra fa ny faritra ivelan’Antananarivo. Efa vidiana 300 Ar ny rano iray bidon miloko mavo vao tonga any an-tokantrano amin’izao vokatry ny fahapahan’ny rano vatsian’ny JIRAMA. Eo an-danin’izay anefa dia efa manomboka miharitra ihany koa amin’izao ny ankamaroan’ny vovon-drano. Ny fiarovana sy fanajana ny tontolo iainana ihany moa sisa no hany vahaolana tokana hahafahana mampitombo ny rotsak’orana manerana ny Nosy izay miankina amin’ny fandavan-tenan’ny tsirairay.


Pati
Legende Mafibe tahaka izao sahady ny fitadiavana rano fisotro madio ankehitriny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT