TSY FAHAIZANA MITANTAM-BOLA

Miteraka olana eo amin’ny mpivady


  • Talata 03 Desambra 2024

Miteraka olana eo amin’ny mpivady ny tsy fahaizana mitantam-bola.

Mety hihafara amin’ny fisarahana mihitsy izany rehefa diso milofo loatra ny iray nefa mpandanilany foana ny iray. Manoloana io tranga io dia nanofana ireo mpikambana ao aminy ny SMMEC etsy Besarety ny faran’ny herinandro teo. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fampianarana ny olona mba hahay hitahiry mantsy izy ireo fa mampianatra ny fahaiza-mintanana ihany koa mba hananana ambim-bava hahafahana manatanteraka tetikasa. Rehefa manana tetikasa ny Ray na Renim-pianakaviana iray dia fantatra fa azon’izy ireo tohanana tsara amin’ny ny alalan’ny fampihindramam-bola koa hahafahana mampandroso ny asa fihariana ao an-tokantrano. Mpikambana mihoatra ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana. Rehefa misosa miditra mantsy ny vola ho an’ny SMMEC dia milamina sy mihatsara ihany koa ny fifandraisan’ny mpivady ao an-tokantrano ao, antony iray mety hampihena ny tahan’ny fangatahana fisaraham-panambadiana etsy amin’ny tribonaly Anosy izay tsiahivina fa manodidina ny 60 isa isan’andro eo ho eo amin’izao. Narahin’ny fizarana loka ho an’ireo mpikambana tsara vintana nandray anjara tamin’ilay tombola nokarakarain’izy ireo izany.
Pati
Legende : Mampitombo ny fahaizana amam-pahalalana ny fanarahana fiofanana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT