Tsy eken’ny ao Port Berger ny fanesorana ny CED

Mitaky ny hanalana ny delegen'ny serasera an'ny fanjakana


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Nisy omaly ny fanambarana iombonana nataon'ireo kandida tsy miankina amin'ity

fifidianana ben'ny tanana sy mpanolontsain'ny tanana hoavy ity mikasika ny fanaovana fifidianana amboletra ao Port Berger amin'ny ekipan'ny CED, izay ahian'izy ireo hiteraka korontana ao an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray. Tsy ekena, hoy izy ireo, ny fanesorana ny filohan'ny CED amin'izao akatoky ny fifidianana izao. Manahy izy ireo fa misy kajikajy politika miendrika fangalaram-bato ataon'ny ekipan'ny solombavambahoaka iray anatin'izao fanovana mpikamban'ny CED mialoha fifidianana izao. Ahiana tsy ho tanteraka noho izany ny tarigetran'ny CENI foibe dia ny hoe "Fifidianana madio, mangarahara, andraisan'ny rehetra anjara. Matoky izy ireo fa tsy iraka avy amin'ny CENI foibe ny zava-mitranga ao an-toerana amin'izao fotoana izao. Tiany, hoy izy ireo, ny mampahafantatra fa mampiantso ny mpanao gazetim-panjakana izy ireo fa tsy tonga izy ireo satria isan'ny fototry ny fanakorontanana ny mpikamban'ny CED ny delegen'ny serasera ao Port Berger. Antsoavo no atao amin'ny minisitry ny serasera sy kolontsaina ny amin'ny hanalana tsy misy hatak'andro io delegen'ny serasera io, hoy hatrany ireto kandida miisa 61 ireto.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT