Hatreto aloha dia mafana ny toe-draharaham-pirenena. Roa sosona ny vaovao misongadina isan’andro dia ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety sy ny grevin’ny mpianatra eny amin’ny oniversite
Mandeha ny tombana isan-karazany, mahoraka be hatry ny omaly hariva fa sazy mihantona no homen’ny fitsarana ireo mpanao gazety mirahalahy avy ao amin’ny « Madagascar Matin ». Mbola ankamantatra tanteraka kosa ny hahatanteraka na tsia ny fitakian’ny mpianatry ny oniversite hampisondrotana 100% ny vatsim-pianarana. Ny mahagaga dia nangina tanteraka aloha ny raharaha boaderozy, variana tany amin’ny fanohanana sy fiarovana ireo namany ny mpanao gazety, sao dia izay ary no tanjona amin’ity raharaha ity e ? Mifantoka eny Anosy sy Antanimora ary Ankatso ny sain’ny besinimaro kanefa mitohy ihany ny fanondranana an-tsokosoko ny hazo sarobdy any avaratra atsinanan’ny nosy. Atahorana ihany koa ny hisoavalian’ny mpanao politika ny hetsiky ny mpanao gazety ka hivadika zavatra hafa mihitsy ny resaka. Mila mailo ihany ny rehetra fa efa tena be loatra mantsy ny sinema natao teto e ! Antenaina kosa anefa fa handinika lalina ny raharaha ny fitsarana ka hamoaka fanapahan-kevitra hendry amin’ny zoma. Ekena mihitsy fa olobe, manampahefana ny mpitory, saingy tsy tokony hisy akony amin’ny famoahana didy izany raha toa ka tena mahaleotena marina ny fitsarana. Enga anie !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.