Actualités

Tsy Aritra Ny mpanavotra indray no hamono ?


  • Sabotsy 14 Jona 2014

Manomboka mampametra-panontaniana ankehitriny hoe : dia sanatria ve ny miaramila sy ny zandary no tafiditra ao anatina tambajotra momba ny trafikana fitaovam-piadiana eto amintsika ? Tamin’iny herinandro iny mantsy dia manamboninahitra ambony ao amin’ny 1er RFI teny Ivato no nosavaina trano sy nohadihadiana teny amin’ny zandary.

Fantatra ihany koa avy eo fa efa nosavaina ny tobin’ny FIGN (Forces d’Intervention de la Gendarmerie Nationale). Raha tratra ilay fiara nisy basim-borona 360 sy bala 4 000 isa tany Toamasina dia voalaza fa misy vadina zandary no voarohirohy amin’ilay fanafarana fitaovam-piadiana. Ankoatr’io dia efa maro be ny fanampim-baovao milaza fa misy manamboninahitra mpamatsy ny dahalo manakorontana any atsimo. Manahirana ihany ny toe-draharaha satria ireo nantenaina fa hiaro ny vahoaka izany no mamatsy ny jiolahy. Izay eo ihany fa ny tena mampatahotra dia sao lahy ka misy mikotrika ady an-trano mihitsy eto mba hanakorontanana tanteraka an’ity Madagasikara ity, amin’izay mora foana ho an’ny vahiny sy ireo mpanambola mpamadika tanindrazana ny mitrandraka ny harena be eto. Zavatra efa nisy tany Sierra Leone izany ary mbola nitranga tany Centrafrique, samy firenena manana diamondra izy roa tonta ireo. Hita amin’izao ihany koa fa maro be ny zavatra tokony halamina ao amin’ny foloalindahy ao satria efa tena tafiditra ao ny politika sy ny vola. Toa lasa fomba firesaka fotsiny sisa ny hoe : «Tandroka aron’ny vozona sy fitiavan-tanindrazana», fa tena efa maro ny miaramila niova taranja eto. Mbola voaporofo hatrany izao fa zava-doza ny nampidirana ny miaramila tamin’ny resa-politika sy fanonganam-panjakana teto tamin’ny 2009, satria nisy ireo tena lasa za-dratsy ka raha vao misy vola dia roboka ary tsy mijery intsony izay tombontsoa ambonin’ny firenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT