Actualités

Tsy Aritra Mba tonga saina amin'izay e !


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Mazava izao fa tsy mbola zakantsika mihitsy ny Afrikanina eo amin'ny resaka fanatanjahantena, fa na baolina kitra io na rugby dia mitondra faisana ny ekipam-pirenena Malagasy vantany vao mifanena amin'ny Afrikanina....

Aleo tsy resahana akory raha taranja fototra atletisma satria tena very lavitra be isika. Tokony hahatonga saina ny rehetra izao fa tsy hoe rehefa mahavita kianja manarapenitra (?) sy zaraina vola isaky ny mihetsika na miaka-dapa dia hahavita be amin'ny lalao. Fianarana io, fandalinana ny zava-misy, fanitaran-tsaina, fikarohana izay vao kotrana sy fanazarantena. Fa mila atao mazava tsara koa ny rafitra iasana, dia aok'izay ity akamakama sy resa-pianakaviana ity. Ajanony amin'izay ny fidiran'ny politika sy ny resaka fiaviana any anaty fanatanjahantena ! Jereo izay tena mahiratra sy mahay fa tsy vitan'ny sandry fotsiny, izany hoe handrombaka ny anaram-boninahitra tompondakan'i Afrika izany na mba handray anjara amin'ny fiadiana ny amboara erantany. Efa mibaribary be izao ireo tsy nety noho ny fitantanan'ny teo aloha ka tairo amin'izay ary ilay fanovana fa tena mila an'izany ny fanatanjahantena Malagasy e ! Fa tsy hoe mipoera hampiantrano izao karazam-pifaninanana iraisam-pirenena rehetra izao isika, kanefa ataon'ny olona tohatra fiakarana fakana isa fotsiny.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT