Mahavalalanina ny mpanara-baovao ny zava-mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao
. Nipoapoaka tokoa mantsy ny fampanantenana sy ny lokaloka nataon’ny filoham-pirenena tamin’ny fianianana nataony teo am-pandraisana ny fahefana feno. Nandimby izany ireo lahateny tsara lahatra tamin’ireo fandraisam-pitenenana nataony efa im-betsaka ihany ho an’ireo olona tsy dia mahay manisa loatra. Tsy dia manana fandaharanasam-panjakana matotra moa ny fitondrana vaovao ka sarotra ny hitsarana azy amin’ny programa tsy fantatry ny mpiara-belona. Na izany aza dia miandrandra fiovana tsikelikely ny sarambabem-bahoaka izay efa trotraka sy reraky ny krizy lavareny novolena nanomboka tamin’ny taona 2009 ka nampahantra tanteraka ny maro an’isa eto amin’ny firenena. Anisan’ny tena mampimenomenona ny olona ankehitriny, ohatra, ny vidin’ireo entana fampiasa andavanandro izay midangana tokoa. Mampikaikaika sy mampiferinaina ny ray aman-dreny sahady ihany koa ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Tsy lazaina intsony ireo olana marobe mianjady amin’ireo sehatra samy hafa toy ny momba ireo mpivarotra amoron-dalana, ny fitakian’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony sy ny maro hafa. Tranga mahamenatra sy mampalahelo ny fiarahamonina ihany koa ny fisian’ny karazana ramatahora amin’ny asa fanaovan-gazety izay nosokajian’ny besinimaro ho fiverenan’ny sivana eto amin’ny tanàna. Fampihavanana no andrasana amin’ny mpitondra fanjakana nefa toa fampisaraham-bazana no hitan’ny mpiara-belona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.