Actualités

Tsy Aritra Hafa ihany i DADA


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Zavatra tsy azo noeritreretina fa hiseho izao fikorontanan’ny fitantanana ny firenena izao tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana. Tsy misy izany hoe ny filoha sy ny praiminisitra miteny zavatra mifanipaka izany

Mipetrapetraka ny fanazavan-kevitry ny minisitra tsirairay avy, mazava tsara ny programa sy ny lalan-kombana ary ambara mazava tsy misy sasin-teny be loatra izay zavatra tena tiana atao marina. Nalaza hoe masiaka Atoa Ravalomanana. Raha dinihina anefa dia hentitra amin’ny fomba fiasa izy, ary zavatra matotra sy tena matihanina tsara ihany ny azy no fantany. Ny tsapa hatramin’ny nisian’ny fitondrana tetezamita teto tamin’ny 2009 dia nivaha tanteraka ilay fitsipi-pifehezana, tsy misy te hahalala izany fitsipi-pitondran-tena izany, tsy misy resaka etika sy soatoavina intsony. Sady tsy mahay manaja tena no tsy manaja ny hafa, izany izao no lamaody ankehitriny ary ireo olona ambony mihitsy no mampiseho ny ohatra ratsy. Ary ny tena olana raha ny fahitana azy dia miseho azy ho mahay mitondra fanjakana daholo ry zareo ao ambonimbony ao, hita mibaribary anefa ny sasany fa tena tsy izy mihitsy fa haingon-dapa sy haingon-tsehatra fotsiny. Mikorosofahana ny firenena rehefa tsy manana ilay saina matsilo mahay mitarika sy manetsika ny rehetra ny mpitondra. Fampihavanana no tadiavina, fanabetrohana sy fanagadrana indray anefa no miseho.eo am-pandinihana ny hadalan’ireo mpitondran’ny repoblika faha-4. Maro ny Malagasy mahatsapa amin’izao fotoana, eny fa na dia ireo mpomba ny mpanongam-panjakana  5 taona lasa aza izay fa tena … hafa ihany i Dada.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT