Sazy mihatra an-tranomaizina herintaona sy onitra 1Ar! Io no didy ho an'i Fernand Cello
tamin'ny fitorian'ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena momba ny fandraharahana ny fonja na ENAP Atoa Désiré Razafintsalama. Iray amin'ireo raharaha nanenjehana azy io, taorian'ny fisamborana azy ny volana janoary 2025 lada teo. Famoaham-baovao sy fanairana mikasika ahiahina trangana kolikoly tamin’ny fifaninanana ho mpandraharahan’ny fonja no antony raha hiverenana, ka vesatra hanenjehana an’i Fernand Cello ny fanalam-baraka tompon’andraikitra ara-panjakana, fanakorontanana ny filaminana anatiny, fanakorontanana ny governemanta,… I Fernand Cello izay nanda hatramin'ny farany tamin'ny fotoam-pitsarana, ka nilaza fa « Tsy nanana eritreritra hanakorontana saim-bahoaka. Nanao ny andraikitra amin'ny maha mpanao gazety, nitatitra, nanaitra". Tsy tonga nanatrika ny fitsarana ny mpitory, saingy nambaran’ny solontenan’ny fiarovany fa voahitsakitsaka ny hasin’ny mpitory, potika ny lazany, ary voahosihosy ny voninahiny. “Tsy nisy fanalam-baraka, tsy nisy anarana notononina, fa "institution" no resahina. Tsy azo lazaina ho vesatra mazava io.”, hoy ny fiarovana nataon'ny Mpisolovava Me Rajaonarison Santa Navalona tamin'izany. Nosokajiany ho fanohitontohinana ny mpanao gazety tsy hanao asany, tsy hanao fanairana, ka manohintohina mivantana ny fahalalahana hiteny. Nomarihiny tamin'izany ny “Asymétrie de la procédure” noho ilay mpitory izay nambarany fa «dépositaire de l’autorité publique» olona ambony ka nametrahany fanontaniana hoe: misy fiantraikany na « influence » eo anatrehan’ny fitsarana ve? Fantatra moa omaly fa hanao fampiakarana teo anatrehan'ny fanamelohana ny mpiaro an'i Fernand Cello. Omaly, nanamafy io mpisolovava io, fa tsy afa-po didy, « disproportionné » (tsy mifanentana) ihany, manao ny asany ny mpanao gazety, mitady ny marina araka ny lalàna mifehy ny serasera, manana adidy amin’ny vahoaka manontolo, « intérêt général » ilay izy satria « concours » ny resaka eto kanefa nentina tamin’ny Fitsarana ady heloka mba hanakombonana ny vavany », hoy ny mpisolovava Me Rajaonarison Santa Navalona. Hampiakatra ny raharaha ny mpisolovava. Raharaha iray iny fa miisa 4 ireo fitoriana an’i Fernand Cello. Nandeha omaly ihany koa ny fitsarana ny raharaha faharoa, dia ny fitoriana nataon’ny HCC, voalaza fa namoaka vaovao tsy marina fa lasa niondrana any Frantsa niaraka tamin’ny Filoha teo aloha sy olona maromaro ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, nosokajiana ho fanakorontanana tamin’ny vaovao tsy marina mety hiteraka fikorontanana goavana. Ny talata 15 jolay no hivoaka ny didy mikasika azy io. Mbola misy dosie hafa nitorian’ny avy eo amin’ny Fitantanana ankampoben’ny fadin-tseranana an’i Fernand Cello ihany koa, fa nahemotra amin’ny 5 aogositra io noho ny tsy fahatomombanana ara-taratasy. Ny dosie faha-4 kosa tsy misy tohiny intsony hatreto, raharaha nipetraka tany amin’ny sampana misahana ny heloka bevava. Manao tohivakana noho izany ny fanenjehana an'i Fernand Cello ka ny eo vita, ny hafa mbola mandondona. Sarotsarotra ny toerana misy azy. Ampanarahana ny dian-dry Rolly Mercia, Lola Rasoamaharo,...?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.