Niverina ary vao mainka mahery vaika ny fanafihan-dahalo any Amboasary Atsimo taorian’ny hetsika fampandrian-tany “coup d’arrêt” natao tany
Ny zoma teo izao dia tanàna roa no indray voatafika. Tao Tranomaro dia dahalo 80 lahy no nanafika, ka lasan’izy ireo ny omby niisa 150. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary. Nisy fifandonana ka lavo tamin’izany ny 13 tamin’ireo dahalo. Tao Mahaly ny faharoa. Andian-dahalo an-jatony no nanafika, ary omby 300 no lasan’izy ireo. Niantso fanampiana tamin’ireo namany tao Tsivory ireo zandary enin-dahy tao an-toerana. Teny an-dalana ho ny Mahaly anefa no nifanehitra tamin’ny dahalo ny zandary avy any Tsivory. Lavo nandritra ny fifandonana ny komandin’ny borigady sy ny lefiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.