Tsivery Mao Tse-Toung

«Fampihavanana fa tsy ady an-kanina no ilaina eto!»


  • Zoma 18 Jolay 2025

Noraisina ho lasa toy ny fanesoana na «ironie» taty aoriana ilay

fehezanteny nalaza hoe «Azo raisina fa tsy mitombina!», hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika FIVOI, Tsivery Mao Tse-Toung. Teny nalaza talohan’izay koa, hoy izy, ny hoe «Efa mandeha ny fanadihadiana» ary eo no mampametra-panontaniana matetika teto amin’ity firenena ity hoe oviana moa izany no mba nisy fanadihadiana tonga hatramin’ny farany teto? Tamin’ny 1975, nisy ny raharaha fitifirana ny Kolonely Ratsimandrava ary nisy tamin’izany ny hoe fanadihadiana nisokatra. Efa nihidy ve sa mbola azo sokafana indray ny valopy nanokafana fanadihadiana tamin’izany? Miresaka fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo indray isika ankehitriny. Misy ny atao hoe fanodinkodinana saim-bahoaka amin’ny fiainan’ny firenen-drehetra eto amin’izao tontolo izao. Raha tena miaina ny atao hoe demokrasia sy mangarahara isika, avoahay ny tena zava-nisy marina ho hitan’ny rehetra! Tsy manana firenena alain-tahaka afa-tsy izay nanjanaka antsika moa isika dia io ny an-drizareo fa tranga niainan’ny praiminisitrany ankehitriny fony izy mbola minisitra, izay nihatra tamin’ny zanany, no ankehitriny miverina ambony latabatra hanadihadiana azy hoe inona io? Voakasika ny maha praiminisitra azy, ny seha-panabeazana misy ny zanany, fa ny antsika maninona no tsy misy miteny mihitsy hoe mifarana ny fanadihadiana aorian’ny filazàna hoe nisokatra ilay izy? Maro ny maty tamin’ny raharaha fanapoizinana ary maro koa ireo maty tamina tranga hafa tahaka ireny hoe sambo rendrika ireny. Nanao ahoana no niafaran’ny fanadihadiana ary nisy ve aza ilay fanadihadiana? Raharaham-pirenena moa no resaka dia niaraha-nahalala teo aloha teo fa nampikaikaika ny olan’ny JIRAMA. Somary tony izy izany izao ary eo no mampametra-panontaniana hoe rehefa anatina krizy toa an’io mitranga amin’ny JIRAMA io kay izany dia mahita fepetra azo raisina ihany ny mpitondra ao anatin’izany rehetra izany. Nifanilika foana ohatran’izao ihany moa ny mpitondra nifandimby nefa hita ankehitriny fa ny lalana izoran’ny JIRAMA dia mankany amin’ny lalana nizoran’ny SOLIMA, ny fahapotehan’ny Air Madagascar, lalana mankany amin’ny fahapotehana na voatery hanovana azy ho sehatra tsy miankina ihany, raha zohiana izao fandehany izao. Nitsefitra ny grevin’ny sendikan’ny mpiasan’ny JIRAMA satria inona moa no tsy azo tsindriana eto? Na ny maneho hevitra aza izao mampatahotra satria maningotra aina. Ny tena na izany aza matoa miteny dia izay no anto-pisiana amin’ny maha mpanao politika. Efa niteny aho talohan’ny dinika momba ireo nosy manodidina sy ny 26 jona fa tokony hisy kabarin’ny filoham-pirenena mikasika ireo nosy ireo tamin’ny fetim-pirenena saingy tsy nataony ilay izy. Ireo delegasionina malagasy indray no nitsaitsaika tany Paris, Frantsa. Ny manana ny rariny indray no nandeha nitady rariny. Nivarotra tanindrazana ve izany no nalehan’ny delegasionina malagasy tany Frantsa? Tsy te hamotsotra an’i Nouvelle Calédonie koa izao io ny frantsay. Miady ny olona. Ho avy ny fivoriamben’ny SADC. Hay tiantsika ihany ilay SADC. Raha fehezina ny tian-kambara dia fampihavanam-pirenena no ilain’ity firenena ity. fampihavanana handravàna ny hantsana eo amin’ny mpitondra sy vahoaka fa tsy hizaràna seza ho an’ny mpanao politika. Fampihavanana fa tsy ady an-kanina no ilaina eto, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT