Actualités

Tsiroanomandidy Nilaza ho tsy mahefa amin’ilay ady tany ny fitsarana


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Nivoaka omaly maraina ny did im-pitsarana mikasika ilay fifanolanana ara-tany eo amin’ny ben’ny tanànan’i Tsiroanomandidy sy ny Fikambanan’ny Zanak’Androy.

Nilaza ho tsy mahefa hitsara ity raharaha ity ny fitsarana ady madio ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy, hoy ny fampitam-baovao voaray. Mbola manana 8 andro hanaovana fampakarana ny andaniny sy ny ankilany raha toa ka tsy afa-po amin’ny didim-pitsarana izay nivoaka. Raha hiverenana ny zava-nisy, nametraka fitoriana ady madio tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy ny ben’ny tanànan’i Mananjara, Jaona Razafindredohy, izay nilaza fa ny kaominina no tompon‘ny tany. Ny fikambanan’ny zanak’i Androy, etsy ankilany, dia nilaza fa tsy manana taratasim-pitsarana na «juridique» ny kaominina fa ny zanak’izy ireo izay nandova io tany io no efa nanao fangatahana ny taona 1988 ary ny ray aman-drenin’izy ireo no nanazary ny toerana ny taona 1981. Hatreto dia samy tsy manana «certificat juridique» na ny kaominina na ireto toriana ka dia izao nilaza ho tsy mahefa hitsara ny raharaha izao ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Legende : Ny ben’ny tananan’i Tsiroanomandidy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT