Actualités

Tsiroanomandidy Lehilahy hita faty niantona tamin’ny “cable”


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Lehilahy iray no hita faty niantona tao an-tranony ny sabotsy 31 oktobra teo tany Tsiroanomandidy. Ireny "cable" amin'ny bisikileta ireny no nifatoran'ny tendan'ilay lehilahy hany ka nisy ra nivoaka mihitsy ny vavany.

 

Nizara roa ny hevitr’ireo nahita sy nanatri-maso ny zarana. Tao ireo nilaza fa namono tena ity lehilahy ity, izay mbola tsy fantatra ny antony. Tao koa anefa ireo nilaza fa novonoina ity lehilahy ity izay vao mody naanton'ireo namono azy tamin’ilay cable tao an-tokantranony. Ny mpitandro ny filaminana mpanao fanadihadiana ihany anefa no afaka tena hilaza ny marina mifandraika amin’izany. Andrasana izay mety ho tohiny.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT