Actualités

Tsirin-kevitra Tia tanindrazana Madagasikara sy ny solika


  • Zoma 20 Jona 2014

Efa an-taonany maro no nahenoantsika fa manana solika i Madagasikara. Efa hatramin’ny taona 80 no efa nisy hira noforonin’ny tarika kalaza iray momba azy io, nefa ankehitriny, 30 taona aty aoriana, tsy mbola nisy nahazoantsika vokatra izany, afa tsy ilay fanandramana kely atao miaraka amin’ny orinasa JIRAMA angamba hatreto.

 Lafo

 

Raha ny zava-misy eran’izao tontolo izao no jerena dia lafo dia lafo tokoa ankehitriny ny vidin’ny solika. Manodidina ny 106 dolara amerikanina eo ny vidin’ny iray barila (151 litatra) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena raha toa ka solika azo amoahana lasantsy sy solitany ary gazoala. Marihina moa fa raha i Tsimiroro no jerena dia manantena eo amin’ny 1,7 miliara barila eo ny orinasa Madagascar OIL. Ny mila marihina fotsiny dia irony antsoina hoe menaka mavesatra irony no tena misy ao Tsimororo, nefa azo ampiasaina tsara amin’ny motera lehibe izy ireny tahakan’ny gropy ampiasain’ny JIRAMA ary tsy mila sarany lafobe amin’ny famadihana azy ho lasa lasantsy tsotra amin’izay fotoana izay. Raha vinavinaina tsotra izany ny mety ho vidin’ny solika ao Tsimiroro dia mety hahatratra 170 miliara dolara eo, nefa mila marihina kosa fa lafo dia lafo ho an’ny orinasa Madagascar Oil ny mitrandraka ny menaka mavesatra satria raha tsy nahavoaka firy azo nivarotana akory ry zareo ankehitriny, dia efa nandany teo amin’ny 300 tapitrisa dolara tamin’ireo andrana sy fanadihadiana nataony.

 

Ny tombontsoan’ny vahoaka ?

 

Raha toa ka mandeha tsara avokoa izany vina izany, dia manontany tena ny tsirairay hoe : inona no mba anjarako amin’izany vola be izany ? Toa miha mahantra foana izahay nefa nisy orinasa nandany 300 tapitrisa dolara teto ? Ny valiny voalohany dia tsy misy afa-tsy ny famoronana asa manodidina io vina goavana io. Ho maro be mantsy ireo vahiny, izay honina sy hiasa ary indrindra handany vola eto amintsika. Anjarantsika no mamorona tsena amin’izany vola ho entiny izany ahafahantsika mivelona satria tsy mbola misy aloha orinasa Malagasy ankehitriny mitrandraka solika eran-tany noho ny traikefa avo lenta tadiavin’io asa io. Ny tombontsoa faharoa ihany koa dia ny mety ho fidinan’ny vidim-piainana, satria hiaka-bidy ny ARIARY. Rehefa hanomboka hanondrana mantsy ity orinasa ity, dia hiteraka ny hamaroan’ny vola vahiny eto amintsika ka hampidina ny sandany ho azy. Ny antony faharoa hampiaka-bidy ny volantsika ihany koa dia satria ho maro be ireo vahiny hitoetra eto amintsika ary hampiasa ny vola Malagasy. Amin’izay fotoana izay dia hiaka-bidy ho azy ny Ariary satria ho be mpitady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankoatr’ireo nefa dia tsara ny milaza fa mahazo ampahany amin’ny hofan’ny tany ihany koa ny fanjakana, izay (tokony) entiny miasa mampihodina ny raharaham-pirenena tahakan’ny fandriam-pahalemana, lalana sy foto-drafitr’asa samy hafa.

 

Mety ho «miracle» ve ny solika eto Madagasikara ?

 

Raha ny habetsany no oharina amin’ ireo firenena vaventy amin’ny solika isika dia azo lazaina fa tena lavitra mihoatra an’ireo firenena efa mitrandraka ankehitriny. Raha i Venezuela izay mitarika ny voalohany, atsy Amerika Atsimo, no lazaina dia manana amby eo amin’ny 300 tapitrisa barila eo ry zareo, ary ny faharoa kosa dia i Arabie Saoudite izay manana 265 tapitrisa barila. Raha ny eto Afrika no jerena dia i Lybia no mitarika satria manana 47 tapitrisa barila ao ambanin’ny taniny, manaraka azy i Nizeria izay manana 37 tapitrisa barila ary fahatelo eto afrika i Alzeria izay manana 12 tapitrisa barila. Marihina moa fa any Alzeria dia manodidina ny 600 Ariary eo ny litatry ny lasantsy izay lafo kokoa noho ny vidin’ny litatry ny rano any an-toerana, ary any Venezuela kosa dia 40 Ariary eo ny iray litatra hividianan’ny fiarakodia azy. Hitantsika amin’izany fa somary kely ihany ny misy ao Tsimororo hatreto, nefa kosa misy ireo nosy kely manodidina izay malaza ankehitriny fa feno solika nefa hifandirantsika amin’ny firenena hafa.

Mahatsikaritra nefa isika fa ireo firenena afrikanina be solika ireo, toa an’i Lybie sy Nizeria, dia mbola anatin’ny adilahy politika tanteraka amin’izao fotoana. Betsaka amintsika no velom-panontaniana fa sao lahy tombontsoa ekonomika avokoa no mahatonga ny korontana eto Afrika ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT