Tsirambin’ny mpitantana amin’ny asa saropady

Mpiasan’ny APIPA 4 matin’ny entona tao anaty « dalle »


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Mpiasa efatra an'ny APIPA (Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d'Antananarivo)

no namoy ny ainy tetsy 67 Ha ny marainan’ny sabotsy teo, ka anisan'izany ny “Chef du Service de la Maintenance et de l’Exploitation” sy ireo lehilahy telo mpiasa mpanadio lakandrano niaraka taminy. Ireto avy izy ireo : RAKOTOARINDRESY ANDRIANTSIFERANA Sandasarobidy, 44 ans, (Chef du Service de la Maintenance et de l'Exploitation), RAKOTONDRASOA Avotriniaina Jemima, 24 ans, (Eboueur), RAKOTONIRINA Tojosoa, 24 ans (Eboueur), RAKOTOARISON Laza, 24 ans (Eboueur). Araka ny tatitra voalohany, entona mahafaty avy tao amin’ny « dalle » mifandray amina lakandrano ambanin’ny tany no nitarika fahasemporana sy fahafatesana tampoka ho azy 4 mirahalay ireo. Misy ihany koa ny tombatombana fa mety nisy akora simika na poizina nivadika tao anaty tambajotra fanariana rano maloto, na nalatsaka tsy nahy. Nisy ny fiaraha-midinika sy fifampidinihana niarahan’ireo rantsa-mangaika isan-tokony, dia ny BNGRC, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny INSTN, ary ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, izay mpiandraikitra mivantana ny APIPA. Nangatahana mba hanao fitsirihana ara-teknika teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny Institut National des Sciences et Technologies Nucléaires (INSTN), ka voamarina fa nisy gazy mahafaty (gaz toxique) tao anatin’ilay “dalle”. Mazava ho azy, fa niseho ny loza vao nisy fikoropahana fa tsy nisy aroloza sy fisorohana nialoha toy ny resaka EPI (Equipements de Protection Individuelle, fitaovam-piarovana manokana amin'ny teny malagasy, toy ny arotava (masque à gaz, respirateur) hisorohana ny fidiran’ny entona na vovoka manimba, Sarontava sy solomaso hiarovana ny maso sy tarehy, Fitafiana manokana miaro amin'ny ranoka manimba, simika na hafanana, Kiraro fiarovana (chaussures de sécurité), Fonon-tanana (gants), Fehikibo fiarovana ho an’ny asa eny amin’ny toerana avo. Ny tsy fisian’ireo EPI ireo no anisan’ny antony lehibe nahafaty ireo mpiasa nandritra ny loza nitranga tetsy 67 Ha, ka tsy finiavana hanome tsiny, fa mety ho zavatra azo nosorohana raha tena matihanina ny fiarovana sy fitandroana ny ain’ny mpiasa amin’ny sehatra saropady tahaka ireny, saingy isan’ny olana eto amintsika foana moa ilay hoe : miseho ny zava-doza vao milaza fa mandeha ny fanadihadiana, ary handray fepetra. Mankahery ny mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ireo namoy ny ainy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT